- Publicité -
samedi, juillet 12, 2025
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Novetavetain’ny raikeliny ilay zazavavy 6 taona

Ambatondrazaka : Novetavetain’ny raikeliny ilay zazavavy 6 taona

Zazavavy kely vao enina taona monja no noteren’ny raikeliny hatory teo aminy sy nanaovany firaisana ara-nofo. “Araka ny fitantaran’ilay zaza, dia nobatainy aho dia nakariny teo ambony fandriana dia nesoriny ny kilaotiko, nesoriny koa ny azy avy teo ary navoakany ny maha-lehilahy azy dia nataony tamin’ny maha-vehivavy ahy ,narary ilay izy dia nikiakiaka nitomany aho dia notsentsenany  lamba  ny vavako , ary nalentiny mafy dia mafy ny maha-lehilahy azy  ka nisy lakaoly fotsifotsy sy rà vao navelany”. Io no fitantaran’ilay zazavavy kely teny anivon’ny polisy raha nanaovana fanadihadiana izy izay voamarin’ny mpitsabo fa simba tanteraka ilay zaza. Nisaraka efa  ho an-taonany maro  mantsy ny rainy sy ny reniny ka samy nanambady,  ka ilay zazavavy nipetraka tamin’ny reniny. Ny voalohan’ny volana Oktobra 2016 lasa teo dia naterin’ny  reniny antsokosoko tany amin’ny rainy ilay zazavavy na tsy tao an-trano aza ilay rainjaza, ka noraisin’ ilay renikeliny  .Afaka roa andro taty aoriana dia toa namofona ilay zaza. Nojerena  toa  mandeha nana ny fivaviany. Teo vao gaga ity rainy niteraka azy ka  rehefa nanontaniana ilay zaza hoe naninona io dia nitantara ny nanjo azy. Nametraka fitarainana tany amin’ny polisy ilay rainy ka nosamborina ilay raikeliny sy ny vadiny teo aloha. Itsy farany izay nandà mafy fa tsy nisy izany fanolanana izany sady nambarany fa tsy sipany io nametaveta ny zanany io. Ilay zazavavy kely anefa efa zaza fetsifetsy ka nintantara ny zavatra rehetra teny amin’ny tobin’ny polisy. Sarona izy roa ireto izay natolotra ny fampanoavana ny   19 oktobra 2016 teo. Manao antso ho an’ny rehetra ny Kaomisera  divizionera Ramilison Celestin ny haraha-maso ny zazavavy kely, fa toa mirongatra ny herisetra mianjady amin’ny ankizy amin’izao fotoana izao.

Janus R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici