Araka ny loharanom-baovao fantatra dia tamin’ny sabotsy lasa teo no votsotra ilay teratany karana nisy naka an-keriny teny amin’ny faritra Ambohimanambola andro maromaro lasa izay. Io vaovao io hatrany no nahalalana fa tsy nahitana teny mihitsy ilay olona rehefa niverina nandray ny asany teny amin’ny orinasany tamin’ny talata lasa teo. Tsy fantatra araka izany na nisy na tsia ny onitra naloa. Ny hany vaovao re dia nalaina nohadihadiana tany amin’ny mpitandro filaminana avokoa avokoa ireo rehetra manodidina azy. Be dia be ny resaka nikasika iny fangalana an-keriny iny, ny fomba nitondran’ireo olon-dratsy azy, ny fahitana ny fiarany teny amin’ny faritry Sabotsy Namehana sy ny vaovao hafa.
r.s.