- Publicité -
vendredi, juillet 11, 2025
AccueilFaits-DiversTsiadana : Zazalahy kely 2, maty an-tatatra

Tsiadana : Zazalahy kely 2, maty an-tatatra

Zava-doza no nitranga teny Tsiadana, omaly tolak’andro tokony tamin’ny 1 ora teo. Araka ny loharanom-baovao voaray, dia fantatra fa zazalahy kely roa no  maty tao an-tatatra. Voalaza fa 9 taona sy 6 taona izy ireo. Araka ny vaovao voaray, nilalao teny an-tsaha ireto ankizy roa  ireto, avy eo nidina tao an-tatatra naka  fozaorana mba hatao kilalao. Miakatra tanteraka ny rano eny an-toerana taorian’iny orana be nirotsaka ny sabotsy lasa teo iny ka izay no nahavariana ireto zaza roa ireto teo an-tatatra nahita ilay fozaorana niakatra be. Difotra tanteraka izy roalahy ary  tsy avotra intsony ny ainy.  Olona handeha ho eny an-tsaha no nahita ny razana nitsingevana.Taitra avokoa ny mponina teny Tsiadana raha nahita an’ireto zazalahy kely roa ireto, izay efa tsy nisy aina intsony.

FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici