Manomboka mafana ny andro izao ka manomboka miverina ihany koa ireo hazandranomasina mampidi-doza amin’ny fihinanana azy, ary saika isan-taona dia ahitana ireo maty sy mararin’izany ny ao Analanjirofo, izay tanàna miaina amin’ny jono toy ny ankamaroan’ny olona amorontsiraka. Ny alakamisy 20 oktobra teo dia olona miisa 17 no indray narary tao amin’ny kaominin’i Mahambo, amin’ny lalam-pirenena faha-5, izay mipetraka amin’ny fokontany “carreau” III. Mpanarato iray vao tonga avy nanarato no nahazo ity sokatra an-dranomasina antsoin’ny mponina hoe “fano”, ka namidy tao amin’ity fokontany ity noho ilay mpanarato rahateo monina ao. Samy nividy ny rehetra ary nataon’izy ireo laoka antoandro ilay sokatra an-dranomasina. Ny tolakandro taorian’ny fihinanana izany izy ireo dia samy nalemilemy avokoa ary nanomboka fanina. Vao nahita izany ireo mpiara-monina tamin’izy ireo tsy isan’ny nividy sy nihinana izany dia nitondra azy ireo teny amin’ny hopitali ben’i Fenerivo atsinanana. Niisa 17 izy ireo no teny amin’ny hopitaly, ka zaza ny 4 no vao tonga teny dia tsy tana ny ainy. Ireo lehibe kosa tamin’ny fotoana nahatongavan’izy ireo teo anivon’ny hipotaliben’i Fenerivo atsinanana sy ny fotoana nanoratana ny vaovao dia ao anatin’ny fiadiana amin’ny fahafatesana. Araka ny fanazavan’ireo mpitsabo azo tamin’ny antso an-tariby dia fahatoranana sy firediredena ary olana ara-pahitana vokatry ny poizina tao amin’ilay sokatra no mahazo azy ireo amin’izao.
Malala Didier