Raikitra ny fifampitifirana teo amin’ireo dahalo sy ny mpitandro filaminana, izay nahitana zandary sy miaramilan’ny Das, tao Amboloha, ao Ambodihasina, any amin’ny kaominina Keliloha, Tsaratànana ny alarobia lasa teo. Vokany dahalo telo no lavon’ny balan’ireo mpitandro filaminana. Basy « kalach » roa niaraka tamin’ny bala enina kosa no sarona teny amin’izy ireo. Raha ny fanazavàna azo dia tamin’ny alalan’ny fanomezam-baovao no nahafantarana fa misy andian-jiolahy miafina ao amin’io fokontany voalaza etsy ambony io. Nidina avy hatrany tany an-toerana ireo mpitandro filaminana, ary tonga dia tifitra variraraka no nitsena azy ireo. Sendra ny mahay sy efa za-draharaha anefa ka resy tosika avy hatrany ireto andiana malaso ireto. Natolotra ny fokonolona moa ireo razana, taorian’ny fitsirihana nataon’ny mpitsabo azy. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo naman’izy ireo hafa. Araka izany tsy vitan’ny basim-borona intsony araka izany no eny am-pelatanan’ireo malaso fa efa tena fitaovam-piadiana maherivaika tokoa. Mbola mipetraka foana hatreto ny fanontaniana, iza no mpamatsy azy ireo ara-pitaovam-piadiana ?
m.L