Tena mirongatra ny asan-jiolahy ao an-drenivohitr’i Betsimisaraka ao. Tsy vitan’ny mpivarotra sy ny tokantranon’olon-tsotra intsony no lasibatra, fa efa hatramin’ny biraom-panjakana. Ny herinandro lasa teo, ny Sampan-draharaham-panjakana misahana ny solika (OMH) no nisy namaky. Lasa tamin’izany ny solosaina telo, solomaso 44, ary vola mitentina efatra hetsy ariary teo ho eo. Tsy fantatra hatreto izay jiolahy nandroba ity biraom-panjakana ity, fa ireo tomponandraikitra tao no nampandre ny mpitandro filaminana. Efa mandeha moa ny famotorana ataon’ny Tobim-paritry ny zandary ao Toamasina, mahakasika ity resaka asan-jiolahy ity.
m.L