Mbola tsy ao anatin’ny fiotazana litchi ny eto Toamasina izao, dia efa manomboka sahady ny fahafatesana zaza noho ny famosaviana ataon’olona ho an’ireo olona mangalatra litchi ; izay mateti-pitranga eto Toamasina izany amin’ny fotoan’ny fahamasahana voankazo tahaka izao. Tranga iray izay tena lasa olam-piarahamonina ao Andranomadio P/elle 11/43 ny niseho, ny sabotsy teo, satria zaza mpianadahy 10 – 08 – ary 06 taona no nanagalatra litchi tao amin’ireto fianakaviana iray tsy lavitra ny misy azy ireo. Tsy nahazaka ny mena miraviravy satria efa manomboka mihamasaka ilay litchi. Hitan’ilay tompony tsara ireto zaza ireto nangalatra ny litchi-ny , saingy tsy norarany fa navelany tsara nanao izany; ary fantany tsara fa efa nasiany “ody halatra” ilay fototra litchi hisorohana izay mety hangalatra azy. Ny iray 8 taona maty teo am-pototr’ ilay litchi, ireo mianadahy kosa vao tonga tany an-tranony dia narary niatomboka tamin’ny fandoavana sy fiakaran’ny hafanana ary niafara tamin’ny fahatoranana. Mbola mitsabo an’ ireo roa ambiny eo anivon’ny hopitaliben’i Toamasina kosa ny ray aman-dreniny, miara-misalahy amin’izy ireo ny mpiara-monina aminy. Noho ilay raharaha misy resaka “famosaviana” dia niantso polisy hisambotra sy hanao fanadihadiana ilay tompon’ny litchi ireto fianakaviana sy ny mpiara-monina, saingy raha nahare izany ilay tompon’ny litchi misy “ody halatra” dia nitsoaka izay tsy hita ny nisy azy hatramin’izao…
Malala Didier