
Ny alin’ny zoma lasa teo no nitranga ny raharaha. Raha nivoaka kely niala voly tao amin’ny toeram-pisakafoanana izay misy karaoké ny ekipa feno izay avy amin’ny ministera tsirairay avy no nahita ny fihetsika tsy nety nataon’ny zandary iray. Ratsy vintana tanteraka io mpitandro ny filaminana io satria vao avy nanatrika atrikasa mahakasika ny zon’olombelona ireo olona maro izay nisy mpitsara, komiseran’ny pôlisy, “administrateur civil” ary koa talen’ny ministera maro no nahita ny zava-nitranga. Raha araka ny fanazavana azo dia nisy olona navoakan’ilay mpitandro ny filaminana tao amin’ilay toerana ary nafatony tamin’ny andrin-jiro tamin’ny rojovy. Dia navelany teo. Hitan’iretsy tompon’andraikitra maro izy vao avy nanao tatitra mahakasika ny zon’olombelona eto Madagasikara izany ary avy hatrany dia nandray andraikitra nanadihady izy ireo. Tsy mbola nisy nanonona ny andraikitra misy azy avy aloha hatreto fa nanontany. Ny valin-kafatra anefa dia mbola navesatra ihany satria feno avonavona sy faniratsirana, raha araka ny nambaran’ireo mpikambana izay nijoro vavolombelona rahateo. Nilaza ilay zandary fa mbola mirevy ary miandry an’izany ho vita aloha izay vao haterina eny amin’ny biraony ilay olona izay nafatony. Io no tena nanetsika ny hambom-pon’ireo olona izay lasa vavolombelona hoazy tamin’ny nataon’ilay zandary. Nisy ary ny fiantsoana ny kaomisaria foibe tao Antsirabe izay nandray andraikitra avy hatrany nanokatra fanadihadiana. Raha ny fantatra dia efa nohenoina ilay zandary hatramin’ny omaly. Nijoro ho vavolombelona avokoa ireo manam-pahefana maromaro tao anatin’ny fitoriana azy. Tao anatin’izany rehetra izany ihany koa no nandefa tatitra eo anivon’ny « inspection générale » eo anivon’ny zandarimariam-pirenena izy ireo mba hahafataran’io vondrona io ny zava-nitranga.
D.R