Iray tamin’ireo bandy fito nikasa hanolana vehivavy 32 taona teo akaikin’ny Epp ao amin’ny Cité Valpinson any Toamasina no voasambotry ny mpitandro filaminana afak’omaly alina. Teo am-pikasana hanolana an’ilay renim-pianakaviana ireto olon-dratsy no tonga tampoka ny polisin’ny FIP taorian’ny antso nataona mpiambina iray niasa alina tsy lavitra teo. Nahita ny bebaoty nanao be fiavy ny namany Ratsimbazafy Sylvain dia tafatsoaka. I Sylvain anefa amin’io mbola somotroka teo am-panesorana ny pataloany ka noraisim-potsiny. Soa ihany fa mbola tsy voaolana ity taranaky Eva ity no tonga ara-potoana ny FIP, fa raha tsy izany dia saika zavadoza indray no nitranga tany an-drenivohitry Betsimitsaraka.
Manitrisa