Taorian’ny fakàna am-bavany ireo jiolahy telo, azo sambo-belona tetsy Ambanidia, ny faran’ny herinandro lasa teo, dia fantatra fa nadoboka am-ponja avy hatrany izy ireo, rehefa avy nohenoin’ireo mpitsara mpanao famotorana. Saika teo am-panantanterahana ny asa ratsiny mihitsy moa izy ireo, izay efa-dahy, no tra-tehaky ny zandary avy ao amin’ny Vondron-tobim-paritra Tana Ville, niaraka tamin’ny Gsis. Tsiahivina fa ny zoma lasa teo, efa tonga tany am-poto-tsofin’ireto mpitandro filaminana ireto ny fisiana olon-dratsy mikasa ny hanafika sy haka an-keriny mpandraharaha tera-tany sinoa iray, izay mikasa ny hiondrana any Chine. Efa nisy nanaraka foana io sinoa io hatreny Tsaralalàna, toeram-ponenany. Tamin’io fotoana io, dia nisy fiara tsy mataho-dalàna iray nivoaka avy tao aminy. Nisy môtô iray nanaraka avy hatrany ity fiara ity, ary niampy roa izany nony tonga teny Ambohijatovo. Nony tonga teo Ankazotokana Ambanidia, dia nobahanan’izy ireo ny lalàna ary nasain’izy ireo nivoaka izay olona tao anatin’ilay fiara. Efa vela-pandriky ny zandary anefa io satria efa mpitandro filaminana efa-dahy no tao anatin’ilay fiara. Vaky nandositra ireto jiolahy ary nanomboka teo ny fanenjehana sy ny fifampitifirana. Teny Androndrakely no nifarana izany, raha ny vaovao azo tamin’ireo mpitandro filaminana, ka tamin’izay no nahalavo ny jiolahy iray tamin’izy efa-dahy. Voasambotra kosa ny telo. Mbola nahitana basy poleta sy bala maromaro moa tany amin’izy ireo tamin’io fotoana io. Nentina natao fanadihadiana izy telolahy ireto, ary izao nadoboka any am-ponja izao. Tsy mitsahatra hatrany moa ireo mpitandro filaminana ny mamerimberina sy manentana ny tsirairay mba hampilaza azy ireo avy hatrany, raha vao misy tranga mpampiahiahy, hafahahana misoroka mialoha tahak’ity tranga iray ity.
m.L