Kaominina isan’ny tena lasibatry ny asan-dahalo matetika ny ao Ambohimanambola ao, efa ho saika isan-kerinandro mantsy no handrenesana fahafihana io toerana io, ary matetika no tsy misy tafaverina ny omby fa vao dilan’ny faritra dia naman’ny tsy hita intsony. Maherivaika rahateo ny fitaovam-piadian’ireo malaso ka aleoan’ny mponina ny aina no avotana toy izay ny fanana sy ny harena.
Tsy toy izay kosa anefa no niseho tamin’ity indray mitoraka ity fa sahy nifanehitra tamin’ireo dahalo ny fokolona. Asa, efa leom-boanana angamba, Tanana telo be izao mantsy no indray notetezin’ny dahalo notafihana ny Alakamisy 20 Oktobra lasa teo. Fantatra fa omby manodidina ny 40 no lasa tamin’io fotoana io. Ireo dahalo tsy amin’ny alina intsony amin’izao no manafika fa vao maraim-be na tolakandro mihitsy aza, midika izany fa tsy misy tahotra intsony ry zalahy fa dia sahy miseho tava etsy sy eroa manao ny asa ratsiny. Voalaza araky ny loharanom-baovao marimpototra fa tokony tamin’y 6 ora maraina, dahalo manodidina ny 30 lahy eo ho eo no nanao be miditra ka nandrahona sy nanapoaka basy, Tanàna telo no nasesiny : tao Ambohijankony, Ambalamarina ary Andranonanahary, tapitra noteteziny avokoa ny vala ary toy ireny tompon’omby ireny mihitsy no ataony mandroaka ny ombin’olona. Rehefa izany, toy ny mahazatra lasa mora foana ireo dahalo. Tsy niandry ela anefa ny fokonolona taorian’ny fanafihana fa avy hatrany dia namory ny mpiray Tanàna ary nanao ny fanarahan-dia na tsy nisy mpitandro filaminana aza niaraka taminy. Tokony tamin’ny 2 ora tolakandro no fantatra fa nifanehitra ary nifandona ny roa tonta, raikitra ny fifampitifirana ka lavon’ny balan’ny fokolona ny roa lahy tamin’ireo dahalo, tsy nahatohatra ireo dahalo ka vaky nandositra ary navelany teo ny omby sy ny namany lavo. Fantatra koa fa dahalo iray no azo sambo-belona ka matin’ny fitsaram-bahoaka ity farany avy eo.
Nandroaka ny omby niverina ny fokonolona taorian’izay, ary tsy nisy naka kosa fa taraiky teo ny fatin’ireo malaso 3 lahy.
Andry N.