- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAmbalavao : Rangahibe maty novonoin’ny zanany tamin’ny fomba feno habibiana

Ambalavao : Rangahibe maty novonoin’ny zanany tamin’ny fomba feno habibiana

Lehilahy lehibe iray mananika ny 65 taona no maty ka hita faty, ny talata teo, tany Ambalavao Tsienimparihy, izay novonoina tamin’ny fomba feno habibiana. Resaka ady lova no fototry ny olana ka ny zanany lahy naterany ihany no voalaza fa nandatsaka ny ainy. Niara-niala tao an-trano izy mianaka ireto, ny marainan’ny alatsinainy teo, handeha hiasa tany an-tsaha. Nony alina ny andro, mbola tsy niverina rangahibe, raha tonga tao an-trano kosa ny zanany lahy niaraka taminy izay efa mamo sady nanao fiteny hafahafa ka nahamahana ny fianakaviana, satria matetika miady lava izy mianaka ireto noho ny resaka lova.

Natao ny fikarohana, ka nony naraina dia akory ny hatairana nahita ny fatin’ilay raim-pianakaviana nokarohina nitsitra nivalampatra nihosin-drà feno ratra toa dian’angady, tao anaty ala kininina,  miala 3 km ny tanàna. Tsy hita kosa ny najavonan’ilay zanany lahy 38 taona voalaza fa nahavanon-doza ka mbola karohina hatramin’izao, hoy ny vaovao. Mbola tany Ambalavao hatrany, dia jiolahy miisa dimy tompon’antoka tamina fanafihana mitam-piadiana izay nahalasana vola 5 tapitrisa ariary sy « tablette » miisa 7, ny 28 septambra lasa teo, izay tratra niaraka tamin’ny basy nampiasainy no niakatra fitsarana omaly.

Eric Manitrisa

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici