- Publicité -
vendredi, juillet 18, 2025
AccueilFaits-DiversAnalavory : Renim-pianakaviana voalaza fa novonoin’ny zanany, nofongarina afakomaly ny razana

Analavory : Renim-pianakaviana voalaza fa novonoin’ny zanany, nofongarina afakomaly ny razana

Novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ity vaviantitra ity. Nokapaina famaky inefatra ny lohany, mba ho faty. Natao tanaty gony, ary nalevina an-tsokosoko tany an-tsaha, izay taniny ihany. Roa taona aty aoriana, nipoitra ny marina ! Ny zanany vavy sy ny vadiny ihany no tompon’antoka tamin’ity vono olona mahatsiravina ity, izay nitranga tany Analavory, ny taona 2014.  Ambonin’izy ireo dia nisy olona dimy hafa, voarohirohy tamin’ity resaka ity, ka mpanampy nahatoky an’ity vaviantitra 62 taona ity ny iray. Efa nosamborin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava avokoa moa izy fito mianadahy ireto ny alatsinainy lasa teo. Tamin’ny fanadihadiana azy ireo no nahafantarana fa resaka ady lova no anton’izany famonoana ho faty izany. “Resaka ady tany sy ny fahamaikan’ity zanany vavy voasambotra ity sy ny vadiny handova no nahatonga azy ireo hanao izao habibiana izao”, hoy ny vaovao. Araka ny fantatra dia nanomboka ny 14 aprily 2014 no tsy hita izay tany nanjavonan-dRazanina, fa izany no anaran’ity vaviantitra novonoin’ny zanany sy ny vinantony ity. Monina ao Ambohidrantoandro, Analavory izy. Nanomboka tamin’io fotoana io no nikarohana azy, ary efa maro ihany ireo filazam-pikarohana nalefa hatraiza hatraiza fa tsy nahitam-bokany. Lany haika ny fianakavina manontolo hatreo. Tsy misy ny marina tsy natao ho hita anefa. Ny voalohandohan’ny volana teo dia nampiseho fihetsika hafahafa ity zanany vavy sy ny vadiny, mahakasika io tsy fahitana an-dreniny io. Nametraka fitoriana avy hatrany ireto fianakaviana, ka nanomboka teo ny famotorana. Raha ny fanazavàna azo dia niantefa tany amin’ilay mpanampy mahatoky azy ny ahiahy, ka nosamborina sy nanaovana fanadihadiana ity farany. “Niaiky avy hatrany izy nandritra ny famotorana fa nandray anjara tamin’ny famonoana ity vaviantitra ity ary nanoro ireo namany niaraka taminy”, hoy hatrany ny fampitam-baovao. Nilaza ihany koa ity farany fa ilay zanak’io ramatoa io sy ny vadiny no naniraka azy. Niroso hatrany ny fanadihadiana ka nahafahana nisambotra ireo olona enina ambiny, dia ilay zanany vavy niaraka tamin’ny vadiny, ary olona efatra hafa mpifandrina amin-dRazanina, amin’ny resaka ady tany. Omaly moa no natao ny famongarana ny razana tany an-toerana, izay natrehan’ireo tompon’andraikitry ny filaminana. Mbola hita teny amin’ny karandohany, ny diam-pamaky efatra nataon’ireo tsy mataho-tody azy. Anio kosa no fantatra fa hohenoina eny anivon’ny Fampanoavana ao Miarinarivo ireto olona voarohirohy ireto.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici