- Publicité -
mardi, juillet 1, 2025
AccueilFaits-DiversAmpitatafika : Fanafihan-jiolahy, 15 tapitrisa ariary sy 13 000 euros very

Ampitatafika : Fanafihan-jiolahy, 15 tapitrisa ariary sy 13 000 euros very

Nanjavona ny volabe ! Manodidina ny 60 tapitrisa ariary mahery tany ho any, 15 tapitrisa ariary miampy vola vahiny 13000 euros, no azon’ireo olon-dratsy tao amin’ity tokantrano iray tetsy Ampitatafika, ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Voarohirohy tamin’ity resaka ity ny mpiambina , ary atao fanadihadiana amin’izao. Araka ny fampitam-baovao azo, dia tokony ho tamin’ny 12 ora alina teo ho eo no niditra an-keriny tao amin’ity tokantrano iray ny jiolahy efatra mirongo basy. Avy hatrany dia ireo vola ireo no nangatahan’ireto olon-dratsy. Saika handà ny fisian’izany tao an-tranony ny tompon-trano, kanefa dia norahonan’izy ireo tamin’ny basy ity farany ka nanaiky tsy fidiny. Tanàna misy mpiambina ity toerana, kanefa tsy hita izay nalehan’ny mpiambina tamin’io fotoana io, araka ny vaovao voaray hatrany. Nalalaka dia nalalaka tokoa arak’izany ireo jiolahy tafiditra an-trano, nanatanteraka ny asa ratsiny. Toa efa fantatr’izy ireo amin’ny antsipiriany ihany koa ny fisian’ireo vola aman-tapitrisany sy vola vahiny be dia be, tao amin’io tokantrano io. Ambonin’io volabe lasan’ireo jioalahy, dia fantatra ihany koa fa nisy firavaka volamena sy entana sarobidy maromaro no nentin’izy ireo. Nampandre ny mpitandro filaminana avy hatrany ity olona voatafika. Tonga teny an-toerana iretsy voalohany nanao ny fanarahan-dia, niaraka tamin’ny alika mpitsongodia. Misokatra araka izany ny famotorana ataon’ireo zandary any an-toerana.

m.L

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici