Nisesisesy tato ho ato ny fanakanan-dàlana eny amin’ireo lalam-pirenana, indrindra fa amin’iny tapany Atsimo iny. Ny talata lasa teo, fiara tsy mataho-dàlana an’ny mpandraharaha iray no voatafika tamin’iny lalam-pirenana faha-45 iny, teo amin’ny vavaranon’i Sabokely, kilaometatra vitsy, andrefan’Ikalamavony. Vokany, voatifitra ny mpamily, ary lasan’ireo jiolahy ny vola mitentina fito tapitrisa ariary, niampy firavaka volamena ary findain’ireo mpandeha tao anatin’ity fiara ity. Tokony ho tamin’ny sivy ora maraina teo no niseho ity trangana fanakan-dàlana ity. Nirongo basim-borona ireo mpanafika raha ny fampitam-baovao azo; avy hatrany dia tifitra variraka no niantefa teny amin’ity fiara ity. Tafajanona vokatr’izay ity farany, ka teo no namelazan’ireto olon-dratsy azy. Tetsy andanin’izay ihany koa voan’ny balan’ireo olon-dratsy teo amin’ny saokan’ilay mpamily, ka naratra mafy. Nandositra avy hatrany moa ireto mpanafika raha vao vitany ny asa ratsiny. Taorian’izay ihany koa vao afaka niantso mpitandro filaminana ireo voatafika. Efa mandeha moa ny fikarohana ireto olon-dratsy ireto. Nentina notsaboina tao amin’ny tobim-pahalasamana ao Ikalamavony kosa ilay mpamily naratra.
m.L