Jiolahy iray ikoizana amin’ny fanafihana mitam-piadiana ao an-drenivohitry ny faritra Atsimo Andrefana sy ny manodidina iny, no voasambotry ny mpitandro filaminana niaraka tamin’ny basy poleta vita gasy fampiasany sy fanafody gasy maromaro toy ny moara, ny alatsinainy teo, tao Ampasikibo Toliara. Karohina sy atao hazalambo kosa ireo naman’i Vaosaotse izay manao fanafihana mitam-basy miaraka aminy, hoy ny mpitandro filaminana. Raha ny fantatra araka ny fanazavana voaray, dia nanafika tokantranona miaramila iray tao amin’ny fokontany Ampasikibo Toliara ny andian-jiolahy mitam-piadiana, ny 22 oktobra lasa teo, ka lasan’ny jiolahy nandritra ity fanafihana narahina herisetra ity ny lelavola mitentina 1,5 tapitrisa ariary, niampy entana sarobidy maro samihafa. Noho ny fiaraha-miasa tamin’ny olon-tsotra tsara sitrapo nanome loharanom-baovao mari-pototra ny mpitandro filaminana no nahasarona an’ity lehiben-jiolahy mitam-basy ity.
Eric Manitrisa
Toliara : Jiolahy nanafika tranona miaramila, voasambotra niaraka tamin’ny basy
Articles qui pourraient vous intéresser



