- Publicité -
mardi, septembre 29, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohimangakely : Gazoala halatra 200 litratra saron’ny zandary

Ambohimangakely : Gazoala halatra 200 litratra saron’ny zandary

Gazoala halatra manodidina ny 200 litatra no tra-tehaky ny zandary teny Ambohimangakely ny sabotsy lasa teo. Olona sivy no voarohirohy sy nosamborina hatreto. Araka ny fantatra dia avy ao amin’ny tetik’asan’ny Filoham-pirenena, izay fanorenana tobim-piantsonana vaovao eny an-toerana no niavian’ireto gazoala, izay efa voafatratra tanaty « bidons » maromaro. Somary nampiahiahy ireo mpitandro filaminana nanao fisafoana teny an-toerana ny fisiana fiara iray marika « peugeot » 309 nijanona teo amin’ity tetik’asa ity, tamin’io andro alina io. Vao maika nanosika ireto mpitandro filaminana hanamafy ny ahiahiny ny fihetsik’ireo olona tao anatiny sy teo ivelan’ilay fiara. Nanatona avy hatrany ireo zandary hanao ny fisavàna. Vao hitan’ireo olona fa nanatona azy ireo anefa ireo zandary dia namelona ny fiara izy ireo ary nitsoaka. Voatery nanenjika azy ireo ireo mpitandro filaminana, ary tsy tratra mihitsy ilay fiara raha tsy kilaometatra vitsivitsy. Tamin’ny fisavàna natao no nahitàna ireo « bidons » maromaro nisy gazoala, izay inoana avy hatrany fa avy tao amin’ilay tetik’asa. Telolahy no tao anatin’ity fiara ity, ary nosamborina avy hatrany. Fantatra ihany koa fa nosamborina ireo mpiambina roalahy tao amin’ity toerana ity. Araka ny fampitam-baovao azo hatrany dia mbola nisy olona efatra hafa, voarohirohy tamin’ity halatra solika ity nosamborin’ireo mpitandro filaminana, ary mbola misy tadiavina. Mitohy araka izany ny famotorana sy ny fanadihadiana ataon’ireo zandary. Hatolotra ny fitsaràna kosa ireto tratra am-bodiomby ireto.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici