- Publicité -
mardi, septembre 29, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbohidahy : Fiara 4x4 nandona sy nahafaty olona, nitsoaka

Ambohidahy : Fiara 4×4 nandona sy nahafaty olona, nitsoaka

Lehilahy mpitondra môtô iray no namoy ny ainy, ny alarobia alina lasa teo, rehefa avy nodonin’ny fiara tsy mataho-dalàna iray, teny Ambohidahy. Vao avy nandona anefa ity farany dia tsy nijanona fa vao mainka koa nampitombo ny hafainganam-pandehany, nitsoaka lavitra ny toerana nisian’ny loza. Raha ny nambaran’ireo nanatri-maso ity zava-nitranga ity, dia tokony ho tamin’ny valo ora tany ho any no niseho ny loza. Nanosika môtô teny amin’ny sisin-dàlana ity lehilahy ity niaraka tamin’ny namany iray. Nisy olana ny scooter izay nandehan’izy ireo ka voatery natosika, raha ny voalaza hatrany. Tamin’io fotoana io anefa no nirimorimo avy any ny fiara tsy mataho-dàlana iray. Nahazo sisiny loatra ny fandehanany ka voafaoka tamin’izany ilay nanosika an’ilay môtô. Mafy dia mafy ny fifandonana, satria dia nipitika mihitsy ity farany, ary nidaraboka teo amin’ny arabe, nihoson-drà. Tsy hitan’ilay mpamily sa fanahy iniana ? Tsy nijanona akory mantsy ity farany fa nanohy ny diany hatrany. Ny olona sendra nahita ny loza no nanampy ilay namany namonjy ity lehilahy niharan-doza ity. Nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana izy io, saingy noho ny fahaverezan-drà be loatra, dia tsy tana intsony ny ainy. Fa mpitondra môtô iray ihany koa no niharan-doza, omaly, tetsy Andavamamba. Ny filazan’ireo nanatri-maso dia nianjera ity farany, kanefa somary nandeha mafy ihany. Naratra mafy ranamana ary nentina haingana teny amin’ny toeram-pitsaboana.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici