Omaly ariva tokony ho tamin’ny 5 ora teo no nitragan’ity loza iray ity teny amin’iny faritra Ivandry iny. Lehilahy iray mpanendaka no sady mpanao ireny sinto-mahery ireny no matin’ny fitsaram-bahoaka teo am-panaovana ny asa ratsiny. Araka ny loharanom-baovao voaray dia olona tanaty fiara aloha no fantatra fa lasibatr’ity mpanendaka ity , saingy mbola tsy nisy nahatsikaritra izy tamin’izany . mbola nanohy hatrany ny asany izy ity ka teo vao nifanenjahen’ny fokonolona rehetra teny Ivandry . Nandeha ny tora-bato sy ny fifanenjehana saingy tsy nety tratra ity jiolahy mpanendaka sady mpanao sinto-mahery . Fantatra fa vato lehibe iray no nahavoa azy ny farany ary niantefa mafy tamin’ny lamosiny izany ka teo no nahalavo azy. Lavo nianjera tamin’ny tany ity mpanendaka ity ary tsy tafa-tsangana intsony . Nifandrimbona nanantona azy avokoa ireo izay nanenjika ka tra-tehaka ihany izy ny farany . Tsy nanaiky mora ireto vahoaka maro fa mbola samy namely avokoa na dia efa tsy nahatsiaro tena intsony aza ity mpanao sinto-mahery ity. Nijininika ny rà ary efa reraka tanteraka ity jiolahy ity ka izay no tsy nahavotra intsony ny ainy . Maty noho izany ity farany ka nantsoina avy hatrany ny mpitandro ny filaminana mba hanao ny asany momba ity raharaha ity.
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)



