- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversIvandry- Sambava- Vatomandry : Olona enina matin’ny fitsaram-bahoaka

Ivandry- Sambava- Vatomandry : Olona enina matin’ny fitsaram-bahoaka

Tato ho ato, nanahiran-tsaina ny mpitazana ny fitsaram-bahoaka niseho saika nanaerana ny firenena. Omaly fotsiny, olona enina no indray maty voaktry ny hatezeram-bahoaka.

Natao toy ny biby avy nohazaina. Nofatorana tamin’ny hazo dia nolanjaina eraky ny tanàna. Izany no nanjo ny efa-dahy izay voasambotra nangalatra lavanila tany Sambava ary niharan’ny fitsaram-bahoaka nony avy eo. Ny olona ihany no nisambotra azy ireo ary nanala ny ainy. Sivy lahy no tompon’antoka tamin’ilay halatra teny an-tanimboly ka ny efatra tamin’ireo no voasambotra. Samy nidaroka avokoa ny olona ary rehefa afaka ny ain’ireo dia nafatotra tamin’ny hazo tamin’izay ary naseho ny vahoaka. Miteraka resa-be hatrany ny fitsaram-bahoaka izay mahazo vahana amin’izao fotoana izao. Omaly indray dia fantatra fa nisy olona telo saron’ny fokonolona rehefa voarohirohy tamin’ny halatra taolam-paty. Niharan’ny daroka avokoa ireo ka ny iray maty tsy tsa-drano ary mbola miady amin’ny fahafatesana ny roa ambiny. Raràn’ny lalàna tanteraka izany satria voasokajy ho heloka bevava ny famonoana olona. Mbola eo ihany koa ny lalàna iraisam-pirenena izay mahakasika ny zon’olombelona izay miady tanteraka amin’ny toe-javatra toy izany. Hatreto anefa dia malemy tanteraka ny tomponandraiki-panjakana manoloana ny fitsaram-bahoaka. Mangina ny manam-pahefana ary na aiza na aiza ny faritra hitrangan’ny raharaha toa izany dia tsy andrenesam-peo mihitsy ny tomponandraiki-panjakana, na izany voatendry na izany voafidy. Ny mpitandro ny filaminana indray dia mitaza-potsiny noho ny tahotra sao izy ireo indray no hiharan’ny hatezeram-bahoaka ka hotafihana ny birao na ny toby. Efa nitranga rahateo izany. Ny fifangaroan’izany tsy fandraisana fepetra izany anefa, eo imason’ny olona, dia toa manazava fa azo atao izany ny fitsaram-bahoaka. Amin’ny fijery iray koa dia toa mandresy lahatra ho azy ny olona, ilay tsy fisian’ny fepetra, fa ankatoavin’ny manam-pahefana ny fitsaram-bahoaka. Izany anefa dia toa endrika manome alàlana ny olona hifamono. Saingy mivadika kosa ny rasa rehefa teratany vahiny no niharan’izany. Faran’izay haingana ny fanadihadiana sy ny fisamborana ary mivoaka amin’ny fahanginana avokoa ny manam-pahefana…tompon’andraikitra.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici