- Publicité -
mardi, septembre 29, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBizina rongony : Mpidoroka 22 nosamborina, vehivavy ny fito

Bizina rongony : Mpidoroka 22 nosamborina, vehivavy ny fito

Voararan’ny lalàna eto amintsika ny fivarotana sy ny fandraisana zava-mahadomelina maherivaika, toy ny rongony, araka ny fehezan-dalàna laharana 97-039, tamin’ny 4 novambra 1997, mahakasika ny zava-mahadomelina. Manoloana ny fiparitahan’ity resaka  rongony ity ary, dia fantatra fa nisy ny hetsika nataon’ny pôlisy misahana ny ady amin’ny zava-mahadomelina etsy Anosy tany amin’ireo faritra malaza ratsy amin’izany : Ankadiana, Ambohimangakely, Ambohimanarina, Ankadindramamy, Marais Masay, Ambodivona, Ambodivona, Ampasika, Ivandry, Morarano Alarobia, ny alatsinainy  teo. Vokany, mpivarotra, mpidoroka nahatratra teo amin’ny 22 teo no voasambotry ny pôlisy, ka fito amin’izany dia vehivavy avokoa. Rongony manodidina ny 150 fonosana teo kosa no sarona, niampy 20 kilao mbola tsy voatsinjara. Teny Ivandry no nahasamborana olona betsaka indrindra, satria dia mpidoroka 10 lahy no tratra teny. Vehivavy efatra kosa no tratra ambodiomby teo am-pivarotana rongony teny Ambohimangakely. Tamin’ny fanadihadiana ireto farany no nahafantarana ny mpamongady ireto rongony ireto, teny amin’iny faritra Ambohimanarina iny. Mbola vehivavy ihany koa no tao ambadik’izany. Nisy vehivavy roa hafa ihany koa sarona tetsy Morarano Alarobia, mbola teo am-pivarotana izany zava-mahadomelina izany. Mpifoka rongony miisa dimy kosa no tratra teny Ankadindramamy, Ambodivona ary Marais Masay. Fampidirana an-tranomaizina telo volana ka hatramin’ny herintaona no miandry ireto voarohirohy ireto araka ny voalazan’io fehezan-dalàna io, miampy lamandy. Omaly no fantatra fa natolotra ny Fampanoavana ireo andiana mpifoka sy mpivarotra rongony ireto.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici