- Publicité -
mardi, septembre 29, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversToliara : Jiolahy telo nanendaka mpanakanto voasambotra

Toliara : Jiolahy telo nanendaka mpanakanto voasambotra

Telolahy nitam-piadiana avy nanendaka mpanakanto roavavy no voasambotry ny polisy sy ny fokonolona tao Andranomihaza, afak’omaly. Andiana mpanjono handeha hody tsy lavitra ny toerana nisehoan’ny fanafihana no naheno ny antso vonjin’izy roavavy ireto, ka nanenjika an’ ireo jiolahy. Araka ny fanazavana azo tamin’ireo niharam-boina dia raha mbola variana niresaka teny an-dalana izy roavavy no tonga dia nobahanan’ireo jiolahy ary ny lelan’antsy naranitra nitohaka teo amin’ny tenda no nanaitra azy ireo, izay tsy afa-nihetsika nanohitra intsony. Lasan’ny jiolahy tamin’izany ny volamena, volafotsy, lelavola, ary finday. Tsy vitan’izay fa mbola nodarohan’ireo mpandroba ihany koa ireto mpanakanto tanora vao misondrotra ireto, ka naratra mafy ny iray.

Eric Manitrisa

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici