Raikitra ny fanenjehana karàna sy vahiny hafa teto amin’ny renivohitry ny faritra Alaotra Mangoro ny faha 07 Novambra 2016 sy ny faha 08 Novambra 2016 lasa teo. Natao savahao tany amin’ny toerana nipetrahany avokoa ireo sirilankais ireo sy ny vahiny mpividy vato hafa ka tsy nahafaly ireo Malagasy mpanofa trano sy efa nivelona tamin’ny fitrandrahana vato taty Alaotra izany. Tao aorian’ny fivoriana nataon’ny ( OMC ) izay niarahan’ny mpitandro ny filaminana sy ny prefen’Ambatondrazaka no nanapahana izao fanapahan-kevitra hentitra izao. Efa ho iray volana no nanaovan’ny tompon’andraikitra fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny tsy maintsy handroahana ireo vahiny, fa toa tsy nampiharina izany fa ny fitetezana trano fividianana vato no nisy sy ny fiantsoana azy ireo teny anivon’ny mpitandro ny filaminana. Niely mihitsy ny feo fa misy ireo manararaotra ka mitango vola amin’ireo vahiny. Noho ireo disadisa maro ireo no niafaran’izao fandraisana fanapahan-kevitra izao, izay nahitana ny teny anivon’ny prefekitiora ny mpitandro ny filaminana. Maro ireo tsy faly amin’izao fandraisana fanapahankevitra izao satria nosakanana avokoa ny lalana mankany Didy Ambatondrazaka izay toerana fitrandrahana vato. Tsy navela handeha ireo rehetra mpitondra entana ,ny fiara ny mpivarotra izay samy naverina avokoa ka lasa olana amin‘ny fiveloman’ny mponina izay monina sy efa mipetraka any Didy sy Antsevabe. Ahiana araka izany ny hisian’ny fahatezeran’ny vahoaka izay fantatra fa efa ho an’hetsiny no mitrandraka vato ao Bemaitso.
Janus R




