Niditra teo amin’ny takolany havia ny bala ary nivoaka teo akaikin’ny sofiny havanana. Naratra mafy izy, saingy tsy namoy aina. Tsy nahazo ny karandohany izany, hany ka azo natao tsara ny nitsabo azy sy namerina ny ainy. Omaly maraina izy no tonga tao amin’ny Hjra rehefa naterin’ny havany. Izany dia taorian’ny fanafihana mitam-piadiana nanjo azy tany Talata Volonondry-Analavory raha araka ny vaovao nohamarinina. Mpividy vokatra any amin’iny faritra iny no tena asany ary heverina fa mitondra vola matetika izy amin’ny fanatontosana an’izany. Dia io no nataon’ireo olon-dratsy mitam-basy lasibatra ka nahatonga an’ireo tsy nisalasala ny nampiasa ilay fitaovam-piadiana. Ny alin’ny alatsinainy tokony ho tamin’ny folo ora sy sasany tany no nitranga ny fanafihana ary madiva haraina kosa no tonga tao amin’ny hopitaly ny marary. Izany hoe mbola nezahina natao teny an-toerana nitrangan’ilay asan-jiolahy ny fameloman’aina isan-karazany talohan’ny nampiakarana azy taty An-drenivohitra. Mbola tazonina ao amin’ny hopitaly mba ho fanaraha-maso ny toe-pahasalamany ilay naratra.
D.R




