Tsy hitan-dreniny tampoka ity zazalahy antsoina hoe Rhodino ity ny talata 8 novambra tolakandro teo tao Fenerivo atsinanana; vokatr’izany dia nikaroka azy ny reniny saingy lany haiky. Natao noho izany ny filazana eran’ny tanàna sy ny fokontany manodidina rehetra ary ny teo anivon’ny onjam-peo tao Fenerivo Atsinanana. Alina ihany ny andro dia nitsahatra ny fikarohana, nitohy ny alarobia maraina izany ka hagagana ny an’ny rehetra tokony tamin’ny 9 ora fa hita nitsingevana teo amoron-dranon’i Marokiso, ao Fenerivo Atsinanana, ny fatin’i Rhodino, zazalahy 8 taona. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy tamin’ny ranon’i Marokiso, fa raha ny fanazavana azo fotsiny dia maty an-drano izy ka heverina fa niafina ny ray aman-dreniny tamin’izao filomanosany tamin’ny ranon’i Marokiso izao. Ny mpitsabo nizaha ny nofo mangatsiakany ihany koa nanamarika izany fahafatesana an-drano izany, satria tsy nahitana ratra ny vatany ary nisy rano ny tao anaty kibony. Ny angom-baovao no nahalalana fa kely jerena andavanandro ity ranon’i Marokiso ao Fenerivo Atsinanana ity, nefa mampidi-doza lava amin’ny volana novambra sy desambra.
Malala Didier





