- Publicité -
jeudi, octobre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversMandraka : Kamiô latsaka tanaty hantsana, olona iray namoy ny ainy, fito...

Mandraka : Kamiô latsaka tanaty hantsana, olona iray namoy ny ainy, fito naratra mafy

Lozam-pifamoivoizana mahatsiravina no nitranga teny Mandraka, lalam-pirenena faharoa omaly vao mangiran-dratsy. Fiara « fourgon » marika « renault master » no nivadika sy latsaka tanaty hady misy ny rano ampiasain’ny Jirama, teo amin’ny fidinan’i Mandraka. Vokany renim-pianakaviana iray no namoy ny ainy teo noho eo, olona enina kosa no naratra. Tokony ho tamin’ny ira ora maraina tany ho any no niseho ny loza. Handeha ho any amin’iny faritra Atsinanana, hanao ny fitaterana ny fihotazana litchis ity fiara ity, niaraka tamin’ireo mpianakavy fito tao anatiny no izao tra-doza izao. Olana ara-teknika teo amin’ny fiara no nahatonga ny loza, raha ny vaovao hatrany. Raha teo am-pidinana an’i Mandraka iny mantsy ilay fiara no tsy namaly intsony ny hisatra ary dia nikivalavala sy tsy tana intsony ny familiana. Latsaka tanaty hantsana ity farany. Hantsana izay lalina eo amin’ny 25 metatra eo ho eo ary notatazan’ny tobin-drano ampiasain’ny Jirama. Tafalentika hatrany amin’ny fito metatra ity fiara ity. Nandritra ny fianjerana dia niendaka ny varavaran’ity kamiô kely ity, ka nahatafavoaka an’ireo olona enina. Ilay renim-pianakaviana sisa no voafandrika tao anatiny ka tsy afaka tao sy namoy ny ainy. « Tonga haingana teny an-toerana ny zandary avy ao amin’ny PA Ambatoloana nanao izay tokony hatao, hanavotana ilay vehivavy ka niantso mpamonjy voina, saingy tsy tonga mihitsy izy ireo » hoy hatrany ity fampitam-baovao ity. Nony halalina sy hamafin’ny rano dia tsy azo ny razana raha tsy tamin’ny enina ora maraina rehefa nezahina noritraina ny rano. Nentina tany amin’ny hôpitaly tao Manjakandriana moa ireo naratra, ary nafindra etsy amin’ny  Hjra rehefa avy nahazo ny fitsaboana maika.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici