Fatin-dehilahy iray,no hitan’nyolona teny amin’ny reniranon’ Imamba teo amin’ny barazy eny Tsarafara Sabotsy Namehana. Olona eo amin’ny 50 taona eo, mirefy 1,60 m, mainty fihodirana, olioly volo, nanao T-shirt sy lobaka carreau manga, blouson manga ary pataloa orange. Mpanasa lamba no nahita azy io volaohany ary io indray no nanaitra ny tompon’andraikitra eny an-toerana. Tonga nijery ny zava-nisy ny zandary sy ny dokotera avy ao amin’ny CSBII Sab/Nam sy ny ben’ny tanàna. Taorian’ny fijerena ny razana dia tombanana fa efa nijanona andro iray tao anaty rano ilay faty. Tsy misy mahafantatra azy na koa izay mety ho havany. Efa manomboka ho simba ilay razana koa dia nalevina teny amin’ny fasam-bahiny Anosy Avaratra.
Efa misokatra ny fanadihadiana ka ny zandary avy ao Sab/Nam no miandraikitra izany.
r.s.




