Raikitra ny fifandrinana, ankilany, dahalo hatrany amin’ny 40 nitondra basim-borona, andaniny, zandary 30 tsara hofana amin’ny hetsika fanenjehana dahalo any Betroka miampy Jado 150. Ireo rehetra ireo dia notarihan’ny Commandant de Compagnie any an-toerana. Rehefa avy nanafika tao amin’ny toerana antsoina hoe Jangany ireo dahalo ireo, dia lasa nandeha. Raikitra ny fanarahan-dia. Nisy ny fifandonana voalaza fa nahery vaika tokoa tao amin’ny alan’i Marohary nisitrihan’ireo mpangalatr’omby. Ny loharanom-baovao hatrany no nahalalana, fa nisy ny dahalo maty tamin’izany. Nentin’ireo namany anefa ny fatiny. Navelan-dry zalahy teo avokoa ireo omby 70 nangalariny. Tratra teny amin’ilay toerana koa ny basim-borona iray sy finday nampiasain’ireo dahalo. Mandeha amin’izao fotoana izao ny fanadihadiana ataon’ny mpitandro filaminana any an-toerana.
r.s.




