- Publicité -
jeudi, octobre 1, 2026
- Publicité -

Tapatapany

# – Manarintsoa isotry. Lehilahy hita faty. Omaly maraina no nahitan’ny olona lehilahy iray, eo amin’ny 60 taona,maty teny amin’ny toerana antsoina hoe « cotona » eny Manarintsoa Isotry. Ny loharanom-baobao dia tsy afaka nilaza ny tena marina tamin’ity fahafatesana ity. Nisy ireo nilaza fa matin’aretina izy. Ao koa ireo nanamafy fa noho ny hanohanana no nahafaty azy. Ireny olona tsy manana trano ireny izy io. Efa ao amin’ny tranom-paty HJRA ny razana, omaly.

# – Ambohimangakely. Telolahy tratra nitondra fanafody be dia be. Nisy olona telolahy nitaingina bisikileta nampiahiahy ny zandary teny amin’ny faritra Ambohimangakely, omaly maraina. Nisy baoritra sy gony teny ambony bisikiletan’izy ireo. Natao ny fisavana azy ireo sy ny enatana ka tamin’iznay no nahitana fanafody tao anaty baoritra miisa telo. Rehefa nosavaina ny taratasy momba ireo zavatra ireo, tsy nanana ry zalahy. Voatery nentina natao fanadihadiana. Tamin’izany no nilazan’ireto olona ireto fa an’olona teny Andravoahangy ireo fanafody ireo ary nokasain-dry zalahy hamidy any ambanivohitra. Ampangaina ho misandoka ho mpivarotra fanafody izy ireo.

# – RN 2. « Camion » mpitondra solika nivadika. Omaly, teny amin’ny toerana antsoina hoe Marovoalavo amin’ny RN 2, nivadika tany anaty hantsana ny fiara be mpitondra solika. Vokany, naratra ny mpamily sy ny mpanampy azy. Tetsy andaniny koa anefa, vao nahafantatra ny fandehan-javatra ny mponina manodidina dia tonga samy nanovo izay zakany. Efa misy fanadihadiana misokatra amin’izao fotoana izao. Tsy fantatra aloha izay antony nampivadika tany anaty hady an’ity fiarabe ity.

nangonin’i r.s.

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici