Tsy nisy tafajanona intsony ny entana teny amin’ilay ramatoa izay mba avy niasa dia niantsena antoandro teo Analakely talohan’ny hamonjena fodiana. Nijery « friperie » ny tenany omaly tokony ho tamin’ny telo ora tolakandro ary teo indrindra no niseho ilay endrika asan-jiolahy hafakely. Nisy olona maromaro avy hatrany dia nivazavaza taminy ary nilaza fa nanendaka azy io ramatoa io. Ramatoa izay madio tsara ary tsy tarehin’ny mpanendaka, raha araka ny fanazavan’izay nahita sy nampita ny vaovao. Norotahin’ireo olon-dratsy teo ary mazava ho azy fa ny entana teny aminy no tena nalaina. Lasa ny paoketra, ny harona izay mba nasiana ny entana avy niantsenana. Saika lasa hatramin’ny akanjo teny an-koditra aza raha tsy mba nisy olona nivazavaza kely niaro azy. Mazava teo fa andian’olona mpanendaka ireo mody nila vaniny mba hanaronana ny asaratsiny. Na izany aza dia tsy nisy namonjy ilay ramatoa fa dia niandry izay nialan’ireo olona maromaro nanendaka azy fotsiny. Nisy mpitandro ny filaminana ihany teo amin’ny manodidina teo saingy toa nanazava an-kolaka izy ireo fa tsy te-hiditra amin’ny fisamborana aloha taorian’ireny gidragidra nitranga tetsy amin’ny lapan’ny tanàna ireny. Nitazana avy lavitra fotsiny izany. Be loatra ny olona eo Analakely ary mifangaro tanteraka ny mpandalo sy ny olon-dratsy ankehitriny. Betsaka ihany ny voasambotra amin’ny mpanendaka saingy tsy mety ritra mihitsy izy ireo eo amin’ity kartie izay fitaratr’Iarivo ity. Mivoatra hatrany ny fomba fanendahana eo an-toerana ary miovaova ny fisehony. Izao izany dia isan’ny fomba fanendahana koa ny fanendrikendrehana olona…
D.R




