Notondrahan’olona tamin’ny asidra ny tarehiny. Potika tanteraka ary saika tsy nisy namantarana azy intsony. Niongotra hatramin’ny odi-dohany ary may tanteraka ny tavany. Izany no nanjo ny renim-pianakaviana iray nanana olona ara-pitsarana mahakasika ny tranom-barotra lehibe etsy Analakely. Olona roa no nifanandrina tamin’io zavatra io. Tao anatin’izany no nisy ny fanakaramana olona higafy ny mpifanandrina aminy. Nasaina nanondraka asidra ny tavan’ny ramatoa iray izy ireo. Voaporofon’ny fianakaviana izany ka nahatonga ny fisamborana ilay voalaza fa nanakarama. Ao amin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava ankehitriny io lehilahy izay fantatra fa teratany vahiny ary efa mandeha ny fanadihadiana azy izay mety haharitra satria fikasàna hamono olona ity zava-nitranga ity ary efa voasokajy ho heloka bevava. Misy resa-bola manodidina ny 400 tapitrisa ariary izay tokony haloan’ilay vahiny izay resy teny amin’ny fitsarana ka asa na fomba iray entiny tsy mankato an’izany na koa fomba iray noheveriny fa hialàna volan’olona no anton’ity fanimbàna olona ity. Betsaka no kivy raha nahita ny sarin’ilay ramatoa voan’ny asidra tamin’ny tambajotra sosialy.
D.R




