- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -

Tapatapany

# 67ha. Mpanendaka rain-dahiny fito no voasambotra. Mpanendaka  fito, efa rain-dahiny amin’ny asa fanendahana eny amin’iny faritra 67ha iny, no voasambotry ny pôlisin’ny boriborintany fahafito, ny alin’ny alakamisy hifoha zoma lasa teo. Mpinamana avokoa izy ireo ary efa mifampitsinjara, mandeha tsiroaroa na tsirairay amin’iny faritra iny. Ireo sendra tafody alina na ireo avy nirevy no ataon’izy ireo mahamay raha ny fampitam-baovao azo.

# Alasora. Resevera nanasa fiara, maty natelin’ny rano. Mpanampina mpamilina taxibe iray no namoy ny ainy rehefa natelin’ny ranon’Ikopa, tetsy Mahitsy, kaominina Alasora, ny zoma lasa teo. Nanasa fiara teo amoron’ity rano ity io resevera io no nianjera tanaty rano ary tsy nahavotra ny tenany intsony. Nantsoina ny mpamonjy voina, saingy efa vatana mangatsiaka sisa no nampakarina avy  tany. Manao ny famotorana moa ireo zandary ao Alasora

Raharaha pôlisy kaominaly. Mbola mitohy ny fanadihadiana. Ny zandary avy amin’ny tobim-paritra Tana ville, Ankadilalana no mandray ny raharaha mahakasika ireo pôlisy kaominaly voarohirohy ho nandratra olona ka niteraka savorovoro teo Analakely, ny herinandro lasa teo. Fantatra ary fa mbola hitohy anio ny famotorana azy ireo, araka ny fampitam-baovao azo, alohan’ny hanolorana azy ireo eny amin’ny Fampanoavana.

# Beroroha. Lehilahy namono olona, matin’ny fitsaram-bahoaka. Lehilahy iray namono ny namany no niharan’ny fitsaram-bahoaka tany Maroto, Ankazoabokely, Beroroha, ny zoma lasa teo. Tsy nanaiky hoentina teo anatrehan’ny Dinabe ity lehilahy ity ary dia novonoin’ireo fokonolona. Efa aina roa no nafoy vao nampandrenesina ny zandary. Efa nanokatra ny fanadihadiana rahateo izy ireo.

Nangonin’i k.m

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici