- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversFoulpointe : Lasa lavenona ny hôtely « Gracia »

Foulpointe : Lasa lavenona ny hôtely « Gracia »

Hôtely lehibe iray ao amin’ny tanànan’i Foulpointe indray no lasa lavenona, vokatry ny hain-trano omaly antoandro. Na izany na tsy izany aza anefa, tsy nisy ny aina nafoy na ny olona naratra tao amin’ity trano fandraisam-bahiny iny. Saingy kila hotohoto, tsy nisy azo noraisina intsony ireo foto-drafitrasa rehetra tao amin’ny hôtely « Gracia », mbamin’ireo entana rehetra. May hatramin’ny 90 isan-jatony izany, raha ny vaovao voaray tany an-toerana, ary tafakatra an-tapitrisany maro ny fahavoazana. Tokony ho tamin’ny 12 ora antoandro teo no niseho ny loza. Afo, vokatry ny doro tanety, tsy voafehy, tao ambadikana « bungalow » iray tao amin’io hôtely io no voalaza fa nahatonga ny loza, raha ny vaovao voaray hatrany. Fantatra tamin’ny fampitam-baovao hatrany, fa efa ela io tanety io no nirehitra, kanefa tsy nisy fandraisana andraikitra, hany ka dia izao niitatra sy namotika zavatr’olona izao. Noho ny toetr’andro sy ny rivotra, nahazo vahana ny afo, ary nijoalajoala tanteraka. Niezaka ny nanao izay vitany tamin’ny famonoana ny afo ihany ireo fokonolona, saingy efa nahazo  vahana be izany. Eny fa na ireo mpamonjy voina ihany koa aza dia sahirankirana ihany teo am-pifehezana ny afo.

D.R

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici