- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTsiroanomandidy : Mpandraharaha nataon’ny jiolahy takalonaina, avotry ny Gsis

Tsiroanomandidy : Mpandraharaha nataon’ny jiolahy takalonaina, avotry ny Gsis

Voatery niditra an-tsehatra mihitsy ireo hery vonjy taitra manokana avy ao amin’ny zandarimariam-pirenena na ny Gsis, nanavotra lehilahy mpandraharaha ara-ekônomika iray, nataon’ny dahalo takalonaina tany amin’iny faritra Tsiroanomandidy. Ny faran’ny herinandro teo no fantatra fa avotra teo am-pelan-tànan’ireo olon-dratsy ity mpandraharaha ity. Raha ny zava-nitranga : nikasa ny hividy omby any amin’iny faritra iny ity lehilahy ity, ny 8 novambra lasa teo. Efa nitondra vola 30 tapitrisa ariary araka izany izy tany am-balahany tany. Nisy namany niaraka taminy tamin’io fotoana io, izay fantatra amin’ny anarana hoe Nary, araka ny fampitam-baovao avy tamin’ny zandary, nandresy lahatra azy mba hiala teo an-tanàna ary handeha hidina any ambanivohitra. Nony tonga tany an-toerana anefa, dia nampisehony ny maha-lehiben’ny jiolahy azy. Nataon’izy ireo takalonaina ity raim-pianakaviana ity, ary lasany ny vola tany aminy. Nitaky vola ho 85 tapitrisa ariary izy ireo tamin’ny fianakavian’ilay mpandraharaha ho takalon’ny ainy. Tafidina ho 28 tapitrisa ariary anefa izany rehefa natao ny adivarotra. Tao anatin’izay anefa, dia efa nampandre ny zandary ireo fianakaviana ka natao ny  tetik’ady rehetra hanjonoana ireo jiolahy sy hanavotana ilay rangahy. Nanaiky ny hanatitra ilay vola tany amin’ny toerana notondroin’ireo mpaka an-keriny hanaovana ny fifanakalozana ny solon-tenam-pianakaviana iray sy ny zandary avy amin’ny Gsis roa, ny zoma. Nipoitra tokoa ireo jiolahy am-polony, nirongo basy. Velona teo ny fifanjevoana sy fifampitifirana. Telo tamin’ireo jiolahy no naratra saingy tafaporitsaka niaraka tamin’ireo namany. Tsy azon’izy ireo kosa ny vola. Tetsy andanin’izay dia avotra soa aman-tsara kosa ilay mpandraharaha. Efa mandeha ny fikarohana ireto mpaka an-keriny ireto, raha ny fampitam-baovao azo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici