# Antsohihy. Vazaha lahy iray voatsatoka antsy. Jiolahy folo nitondra basy kalachnikov sy zava-maranitra no nanafika mpandraharaha teratany vahiny iray, afak’ omaly, tany Antsohihy. Naratra mafy voatsatoka antsy ilay vazaha nakan’ireo olon-dratsy ny kitapo kely nosakelehiny. Efa nisy amin’ ireo jiolahy no voasambotra. Raha ny vaovao voaray avy any an-toerana dia nirongatra sy nanao sesilany ny fanafihana mitam-piadiana tato ho ato tany amin’ity distrika ity.
E Manitrisa



