- Publicité -
jeudi, octobre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAmbatondrazaka : Lehilahy nody alina, naratra mafy nisy nitifitra

Ambatondrazaka : Lehilahy nody alina, naratra mafy nisy nitifitra

Nirefodrefotra ny basy, ny  alin’ny  14 Novambra 2016 teo tokon’ny tamin’ny 9ora sy sasany tany ho any , tao Antsahalava  ’Ambatondrazaka. Raim-pianakaviana handeha hody no  nisy nanakana sy nitsilo tamin’ny jiro,avy hatrany  dia nirefotra ny basy ka nitsirara ity raim-pianakaviana ity ary nandositra ireo nahavanon-doza. Ny manodidina no nifanampy ka  nitondra ilay maratra teny amin’ny tobim-pahasalamana ary efa tsy atahorana firy ny ainy. Nihorohoro ny vahoaka  ,samy nivoaka ny trano avokoa izay naheno ny feom-basy, samy nanontany hoe avy aiza izany feom-basy izany?  Ny marainan’ny 16  Novambra 2016 vao nahoraka  sy nanakoako ny tsy maha mandry fahalemana ny tanànan’Ambatondrazaka ary hatreto aloha dia mbola tsy fantatra mazava ny tena antony nahatonga ny fanafihana, satria tsy nisy zavatra lasan’ny jiolahy teny amin’ilay naratra. Mbola tsy azo noresahana rahateo ity farany io maraina io, ka tsy fantatra hoe inona no basy nampiasain’ireo jiolahy?  Mitombo isa ny mpatory an-tsena eto Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao, noho ny tsy fisian’ny trano fandraisam-bahiny hatoriana intsony ka hany hery ny ataon’ny sasany dia  matory eny rehetra eny ireo mpitrandraka vato miakatra ny tanàna. Tsy fantatra intsony ny  olona tena tsara sy olon-dratsy manararaotra ,ka tokony hisy fandraisana andraikitra hentitra manomboka izao.

Janus R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici