Ny alatsinainy lasa teo tokony ho tamin’ny 01 ora tolak’andro, no nisehoan’ity tranga ity , teny amin’iny faritra Soavimasoandro iny. Araka ny loharanom-baovao voaray, dia rongony 18 fonosana no saron’ny polisy teny amin’iny toerana iny. Fantatra fa renim-pianakaviana iray no voasambotra tamin’izany. Ny vaovao hatrany no nahafantarana, fa tonga teny an-toerana ireo mpitandro ny filaminana izay voalaza fa tsy nanao akanjo fanamiana, miisa dimy. Tsy nampiseho taratasy izay nanamarika fa polisy azy kosa izy ireo. Niroso tamin’ny fisavana ny trano ireto polisy ka tsy nahita na inona na inona izy ireo. Nisy nahatsikaritra zavatra hafa kosa ireto polisy tao an-tokotany ka teo no nahatrarana ireto rongony izay tao anaty lamba mihahy. Voalaza fa efa mpivarotra rongony mihitsy ity ramatoa ity . Rehefa avy nanao ny fisavana ireto dimy lahy, dia nentiny nanaraka azy ity ramatoa izay voalaza fa mpivaro-drongony ity. Niakatra « parquet » omaly kosa ity renim-pianakaviana ity, ary fantatra fa ny zoma ho avy izao no hiakatra fitsarana
FINARITRA RAKOTO (Stagiaire)




