Omaly no notanterahina ny fitsarana ireo olona fantatra fa tafiditra tamin’ny famonoana olona niseho teny amin’ny faritra Ambohimanga tamin’ny faha-7 jona 2012. Nivoaka ny didy ka voaheloka hanao asa anterivozona mandra-pahafatiny ny roa tamin’izy ireo, ary 20 taona asa anterivozona ny iray, miampy onitra amina tapitrisa maro.
Tamin’io daty voalaza etsy ambony io, nisy ny fifampivarotana fiara teny amin’ny faritr’i Manjakaray. Tonga ny mpividy ary rehefa natao ny ady varotra dia raikitra izany. Araka ny fantatra hatrany, nifandray tamin’ny vadiny tamin’ny telefonina hatrany ilay mpivarotra. Rehefa afaka fotoana elaela anefa, tsy nandeha intsony ny telefonina. Nanomboka mahina ny havan’ilay mpivarotra. Rehefa hariva ny andro, nanjavona tsy hita intsony izay toerana nisy ilay mpivarotra. Nikoropaka ny fianakaviana ary natao ny fomba rehetra nitadiavana azy. Tsy nahitana vokany anefa izany. Andro vitsy taorian’izany, nisy ny irika nahafantarana ny tena zavatra niseho marina. Novonoina ilay mpivarotra fiara ary nalevina tao amin’ny tokotanin’ireo mpamono ny fatiny. Nofongorina ny razana izay nasitrika tany amin’ny 8 metatra tany, ary rehefa nohamarinina dia ilay olona tsy hita tokoa ilay izy. Nisy ny fisamborana ary rehefa niatrika ny Fampanoavana dia nalefa tany am-ponja avokoa ireo voarohirohy, vehivavy ny iray. Ity farany hatrany no voatonona ho atidoha tamin’ity raharaha ity.
r.s.