- Publicité -
jeudi, octobre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAlaotra : Niverina nanorim-ponenana ireo vahiny mpividy vato

Alaotra : Niverina nanorim-ponenana ireo vahiny mpividy vato

karieraTao aorian’ny fanaovana hazalambo sy fandroahana  ireo Srilanke sy vahiny hafa  mpividy vato taty Ambatondrazaka , ka nahatonga ireo vahiny ireo hitsoaka sy hiala ny tanàna herinandro lasa izay . Gaga sy talanjona ny rehetra, fa niverina avokoa ireo vahiny mpividy vato ka tsy misy sahy miteny ireo  tompon’andraikitra. Manomboka misokatra avokoa ireo trano  fivantanan’izy ireo   , manomboka mitombo ihany koa ireo olona tonga miditra ny kariera hitrandraka vato  .Na dia nandray andraikitra aza ny fanjakana teto an-toerana amin’ny maha faritra arovana io toerana io,  dia izao mazava izao fa mbola misy olona mahitahita  sy tsy maty manota foana.  Mitombo ihany  mantsy ireo toerana fitrandrahana vato misokatra  aty Alaotra amin’izao fotoana izao ,toerana iray tsy lavitra ny tanàna indray no nisy nahita vato ,ka tsy maintsy hamonoana  omby hoy ny fanazavana vao azo trandrahana  ka ho hita eo indray ny ho tohiny. Amin’ny ankapobeny hoy ny fanazavan’ny rehetra, dia tombony ho an’ny vahoaka aty Alaotra sy ny Malagasy ny fisokafan’ireo kariera ireo, satria nahitan’ny vahoaka tombontsoa maro.

 Janus R

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici