- Publicité -
jeudi, octobre 1, 2026
- Publicité -
AccueilFaits-DiversBongatsara : Fitolahy nanafika tokantrano, olona efatra voakapa famaky, iray voatifitra

Bongatsara : Fitolahy nanafika tokantrano, olona efatra voakapa famaky, iray voatifitra

Nandriaka indray ny rà, nirefotra ny basy teny Bongatsara, Atsimondrano ny alin’ny talata hifoha alarobia lasa teo. Tokantrano iray no notafihana fitolahy nitondra basy sy zava-maranitra. Vokany naratra mafy voakapa famaky ny olona efatra tao amin’ity trano ity, araka ny fanazavana azo avy amin’ny zandary tany an-toerana. Nisy tamin’ireo ihany koa no voatifitr’ireo olon-dratsy. Vola iray alina sy iray hetsy ariary no lasan’ireo jiolahy niampy finday sy entana sarobidy maromaro. Araka ny fantatra dia tokony ho tamin’ny iray 12 ora tany ho any no niseho ity fanafihana ity. Avy hatrany dia nanao amboletra niditra tao amin’ity tokantrano ity ireo jiolahy mitam-piadiana. Nandrahona sy ny nitaky ny vola avy hatrany. Ambonin’izay dia tsy navelan’ireto olon-dratsy nijery azy ireo ireto voatafika. Tsy nisaron-tava mantsy izy ireo raha ny fanazavàna azo, ka mba tsy hamantaran’ireo olona ireto ny endriny no antony nanaovan’izy ireo an’izany. Tsy nisalasala ny nandratra izay rehetra nijery azy ireo ireto olon-dratsy. Kapa famaky sy tifitra avy hatrany no niantefa tamin’izany olona izany. Azon’izy ny vola sy ny entana dia lasa nitsoaka ireo mpanafika. Samy naratra avokoa ireo tompon-trano fa ny iray tamin’izy ireo no tena voa mafy, izay efa naratra tamin’ny kapa famaky no mbola voatifitra teo amin’ny feny. Eo anatrehan’ny toe-javatra tahak’itony moa dia saika mirindrina any an-tranony avokoa ny fokonolona fa efa lasa ireo olon-dratsy vao sahy mivoaka. Nentina novonjena haingana tany amin’ny toeram-pitsaboana moa ireto naratra ireto. Io alina io ihany koa dia efa nanao ny savahao ny manodidina sy ny fikarohana ireo olon-dratsy ireo zandary teny an-toerana.

m.L

- Publicité -
- Publicité -
Suivez nous
502,213FansJ'aime
22,466SuiveursSuivre
8,516SuiveursSuivre
2,891AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici