Tamin’ny talata lasa teo, nisehoana sakoroka teny Anosibe. Hafa dia hafa anefa izy ity. Samy mpitandro filaminana no nifandona. Ankilany, zandary, andaniny polisy. Nitangorona ny olona na dia efa alina ihany aza tamin’izay. Teo amin’ny “rond point” tsy lavitra ny tsena no niseho ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny roa tonta. Dia samy manana ny filazany izy ireo. Nifampikasoka ny fiara nentina polisy sy nentina zandary. Samy nanao fanamiana sivily avokoa izy ireo. Niakatra ny feo ary nisy mihitsy aza ny ompa variraraka. Nisy ireo polisy niezaka nandamina ny fandehan-draharaha. Tsy nahomby izany ary nanomboka ny fikasihan-tànana. Voalaza fa voatifitra totohondry ilay polisy. Rehefa nohenoina indray anefa ny avy ao amin’ny zandary dia sahala amin’izany ihany koa ny resaka re.
Tamin’ny farany, nentina tany amin’ny biraon’ny polisy eny Mahamasina ireo zandary manamboninahitra. Ny lehibeny no naka azy tany avy teo. Misy fanadihadian misokatra min’izao fotoana izao.
Nangonin’i r.s.




