Doro tanety : Velaran-tany 17 ha may hotohoton’ny afo tao Vohipeno
Noho ny tsy fiavian’ny orana dia maina ny tanety, kanefa ireo mpiompy sasany te-hahazo bozaka sy ahitra hiraofan’ny ombiny, ka mampirongatra ny doro tanety any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana ankehitriny. Vokatry ny fandoran’olona tsy fantatra dia velaran-tanety sy toeram-pambolena mahatratra 17 ha no hotohoton’ny afo, ny fiandohan’ity herinandro ity, tany amin’ny kaominina Mangasioka distrikan’i Vohipeno. Tonga hatrany amin’ny kaominina ny afo, raha ny vaovao voaray.
Jirofo 2000 fototra sy zanaka kininina 1700 may kila firehitra. Fa afak’ omaly kosa, dia fototra jirofo 2 000 sy zanaka kininina 17 00 no may vokatry ny fandorana nataon’olona tsy fantatra izay hatrany Farafangana. Nefa raha ny tati-baovao avy tany an-toerana, dia manodidina ny iray hetsy ariary ny kilaon’ny jirofo amin’izao. Mahatsiaro tena ho voa mafy ireo tantsaha voadoro fananana noho ny hasomparan’ny sasany vokatry ny fialonana. Efa misokatra ny fanadihadian’ ny mpitandro filaminana amin’ireo tranga mamoehitra roa ireo.
Toetsaina tsy mitsinjo lavitra, fialonana. Vokatry ny toetsaina tsy mitsinjo ny lavitra amin’ny fandringanana sy fanapotehana ny ala amin’ny fanaovana tavy sy saribao; fandorana ireo zavamaniry hafa (ahi-dratsy) an-tanety mandrakotra ny tany fambolena no antony iray mitarika ny fiitaran’ny afo noho ny tsy fitandremana. Miteraka ny doro tanety mitarika ny fahasimban’ny tontolo iainana izay misy fiantraikany betsaka amin’ny fahasalaman’ny mponina sy ny fiovan’ny toetrandro amin’iny faritra iny anefa, raha ny fanazavana voaray.
Eric Manitrisa
Farafangana
100 Ariary ny kilaon’ny lodsia, mampiaka-peo ireo tantsaha
Vidin’ireo mpanangom-bokatra ariary zato monja ny iray kilao amin’ny lodsia ao Farafangana. Manoloana izany dia mahatsiaro maty antoka ireo tantsaha ka mampiaka-peo ankehitriny. Raha ny fanazavana azo, dia hatramin’ny nahafaty ny seranan-tsambo ao Manakara no tsy nitsaha-nitotongana ny vidin’ny voly fanondrana sy voankazo any amin’ny faritra Vatovavy Fito Vinany sy Atsimo Atsinanana, ka amidy amin’ny tsena anatiny avokoa ny lodsia miakatra any an-toerana hatreto. Manampy trotraka izany ihany koa ny haratsin’ny lalana sy ny kalitaon’ny vokatra noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana ka naharatsy ny vokatra lodisia (madinika ny voany) tamin’ity taona ity. Ny zoma lasa teo, raha tsiahivina no nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny taom-piotazana lodsia amin’ iny Faritra iny.
Eric Manitrisa




