Toliara : Mirongatra ny fivarotan-tenan’ ireo ankizivavy tsy ampy taona
Mbola lohalarana eo amin’ny tahan’ny zaza mitondra vohoka aloha loatra eto amintsika ny faritra Atsimo Andrefana. Antony telo raha ny fantatra no mahatonga ny tahan’ny vohoka tsy niriana ambony, dia ny faneren’ ny Ray aman-dreniny an’ ireo zaza hanambady aloha loatra noho ny fomban-tany sy ny fahasahiranana misy. Eo ihany koa ny fitiavana andrakandrana, ny goragora eo amin’ny lafiny fitaizana, ka mahatonga ny firosoan’ny ankizy samy ankizy tsy ampy taona amin’ny firaisana ara-nofo, ary ny fivarotan-tena ataon’ny ankizy (10 taona monja dia efa roboka, ary misy mbola mianatra ) noho ny fitiavam-bola sy rendrarendra, izay tranga nahazo laka tato ho ato tao Toliara, toy ny hita ao Mangily, Sanfily, Mahavatse, Andaboly, Anketa, Tsimenatse I, II, III, Tanambao, Antaninarenina, Ifaty, Tsienengea, . . . rehefa faran’ny herinandro sy ny andro alakamisy, ary ny zoma.
Iharan’ny herisetra, firaisana ara-nofo tsy voaaro. Tamin’ny fanadihadiana natao no nahafantarana fa tsy vitsy amin’ ireo tsy ampy taona mivaro-tena, ankizy manodidina ny 10 taona hatramin’ny 12 taona no iharan’ny herisetra ataon’ny lehilahy sasany manana olana avy any an-tranony, na ireo efa mamon’ny toaka na zava-mahadomelina avy any amin’izay nalehany tany, ka manjifa an’ireo “ajampela”. Maro amin’ireo mpivaro-tena voatambitambin’ny mpanjifany volabe ihany koa no tsy manao kapaoty akory rehefa miray, ka mampirongatra ny aretina azo avy amin’ny firaisana ara-nofo tsy voaaro, izay mbola maha faritra mena an’ Atsimo Andrefana mandraka ankehitriny, raha ny fanazavana azo.
Eric Manitrisa




