Lehilahy iray 43 taona no maty novonoin’andian-jatovo, tany Zafimahavory kaominina Soanierana distrikan’i Taolagnaro, ny alatsinainy teo. Kapoka vantan-kazo teo amin’ny lohany no nitarika ny fahafatesan’ity raim-pianakaviana ity. Raha ny vaovao voaray, dia nahita ankizy niady ity rangahy ity ka nanasaraka adin’ ankizy teo an-tanàna ity lehilahy namoy ny ainy ity no niharan’ny herisetra noho ny lonilony nikotrika efa hatry ny ela. Vokatry ny vono sy herisetra nihatra taminy, dia torana tsy nahatsiaro tena izy, ary nentina haingana tany amin’ny hopitaly Manambaro, kanefa tsy avotra intsony, satria niraikitra tsy nety nesorina teo amin’ny fihirifany ilay hazo nikapohana azy. Rehefa voasambotra ny efatra tamin’ ireo olona fito voarohirohy ho namono, dia saika raikitra ny fitsaram-bahaoka, satria voalaza fa ireto tovolahy tra-tehaka mpisetrasetra ireto, dia efa nidaroka an’ity raim-pianakaviana namoy ny ainy ity teo aloha. Mitohy kosa ny fikarohan’ny mpitandro filaminana an’ireo namany telo lahy nandositra, hoy ny vaovao.
Eric Manitrisa




