- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversAnosy : Mpangalatra « auto radio » tratran’ny tompony tao anaty fiara

Anosy : Mpangalatra « auto radio » tratran’ny tompony tao anaty fiara

Omaly maraina, lehilahy iray nangalatra « auto radio » tao anaty fiaran’olona no tratran’ny tompony ambodiomby. Teny Anosy tsy lavitra ny Lapan’ny Fitsarana no nisy ity halatra ity. Sendra ny tsy nampoizina ilay mpangalatra satria teo amin’ny fotoana namahany ilay radio no tonga ny tompony. Avy hatrany dia nihoraka ilay ramatoa, vetivety foana dia nitangorona ny olona. Teo no ho eo dia niakatra ny feo ary efa nosavoritahan’ireo rehetra nahita ny fandehan-javatra ilay mpangalatra. Raha nisy kely foana dia asa izay ho nety nanjo azy. Efa tena leon’ny zavatra sahala amin’izao ny olona ka na dia zavatra kely fotsiny aza dia mety mampirehitra ny hatezeran’ny sasany. Tsy azo hodiana tsy hita koa anefa ireo mpanararaotra. Ny maro milaza famin’ireny mody mampiriska ireny no mandrangitra fotsiny hiteraka savorovoro ary manararaotra manendaka sy mangarom-paosy. Ho an’ilay tratra, nentina tany amin’ny fitsarana tany izy. Fotoana elaela avy eo, nisy andiana mpitandro filaminana tonga naka ilay mpangalatra.

Feno olona iny manodidina ny fitsarana iny isan’andro. Ao ireo manana raharaha eny an-toerana. Eo koa ireo fianakaviana manaraka ny havany ho eny amin’ny fitsarana. Re teny an-toerana, omaly ny hoe, efa zatra mangalatra ety iny olona iny nefa sendra ny tsy nampoiziny ka dia izao tratra ambodiomby izao. 

r.s.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici