- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -

Tapatapany

#  Brickaville. Lehilahy maty nohosen’ny « train ». Lehilahy no fantatra fa namoy ny ainy tany amin’ny gara Lohariandava, any Brickaville. Tamin’ny 7 ora hariva no niseho ny zavatra ny faha-15 novambra teo. Ny loharanom-baovao no nahafantarana fa somary efa mamomamo izy io ary natory teo ambony lalam-by.  Nandalo ny « train » ka voahosy ny tongony roa ary tapaka. Izany no nitarika ny fahafatesany. Ny zandary avy ao Andekaleka no manao ny fanadihadiana.

#  Vavatenina. Zaza 5 taona maty voahosin’ny kamiao. Zaza iray eo amin’ny 5 taona eo no maty voahosin’ny kamaio tamin’ny lalana avy ao Mahambo ho any Vavatenina ny faha-15 novambra teo. Nisavika ilay fiarabe io ankizy io ka nianjera. Ny kodiarana avy aoriana no nanitsaka azy ka maty tsy tra-drano izy. Notazonina atao famotorana ny mpamily. Ny zandary avy ao Fenoarivo Atsinanana no misahana ny fanadihadiana.

 Nangonin’i r.s.

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici