- Publicité -
lundi, novembre 3, 2025
- Publicité -
AccueilFaits-DiversTrafikana fitaovam-piadiana : Mpitandro filaminana efatra nosamborin’ny pôlisy

Trafikana fitaovam-piadiana : Mpitandro filaminana efatra nosamborin’ny pôlisy

Manamboninahitra miaramila efa misotro ronono ny iray, miaramila am-perinasa ny roa, ary pôlisy efa voaroka ny ireo farany. Ireo no nosamborin’ny pôlisy misahana ny heloka bevava, noho ny resaka trafikana fitaovam-piadiana mahery vaika ny 14 novambra lasa teo. « Fikambanan-jiolahy, fitazomanana fitaovam-piadiana sokajy voalohany tsy nahazoana alalana, fivarotana fitaovam-piadiana natokana ho an’ny mpitandro filaminana irery ihany, ary firaisana tsikombakomba ». Ireo no vesatra hiampangana ireto mpitandro filaminana ireto, niaraka tamin’ny namany sivily, raha ny nambaran’ireo tompon’andraikitra ao amin’ity sampan-draharahan’ny pôlisy ity. Ambonin’ity raharaha ity dia fantatra fa mbola misy raharaha roa hafa mahavoarohirohy ireto mpitandro filaminana ireto. Niatomboka tamina fisiana fiara marika « volswagen bora » mampiahiahy nipetraka tetsy Ambodivona, ny volana oktobra lasa teo, ny fikarohana nataon’ireo mpanao fanadihadiana. Nahitàna grenady roa, balana kalach 60 isa, ary fitoeram-bala roa tao anatin’ity fiara ity. Ny fanadihadiana nataon’ireto farany no nahafahana nisambotra olona roa, tompon’ny fiara. Efa nampidirina am-ponja vonjimaika moa ireto farany. Araka ny fanazavàna azo hatrany dia nikasa ny hikonokonona fanafihana na fakàna an-keriny ireto olona ireto. Tamin’ny fitsirihana ifotony ireto fitaovam-piadiana ireto no nahafantarana ny fiaviany. Tamin’izay no nahatongavana tamin’ny fisamborana mpitandro filaminana roalahy, manamboninahitra miaramila mitondra ny grady kapiteny ny iray, izay efa misotro ronono, ary pôlisy efa voaroaka kosa ny iray, teny Saropody, ny 14 novambra lasa teo, araka ny fanazavàna nomen’ireo tompon’andraikitry ny famotorana hatrany. Mbola nisy ihany koa grenady iray tratra tany amin’izy ireo. Ireto farany indray no nilaza fa ana mpitandro filaminana ireo fitaovam-piadiana ireo. Ary mety ho nokasaina hamidy na hanaovana fanafihan-jiolahy. Voasambotra teny Ankadimbahoaka ity farany, ny talata lasa teo. Nisy ihany olona roa hafa voasambotra teny Namontana, izay mbola mpitandro filaminana ihany koa ny iray. Bebaoty efatra miaraka amina sivily iray izany no voarohirohy hatreto mahakasika ity resaka fiparitahana fitaovam-piadiana ity.  « Tsy mbola mijanona hatreo anefa ny fanadihadiana ataonay » hoy ny Lehiben’ny sampan-draharahan’ny pôlisy misahana ny heloka bevava, tamin’ny tafa nifanaon’izy ireo tamin’ny mpanao gazety omaly. Nambarany mantsy fa mety ho « varavarana misokatra mahakasika ireo fipoahana indroa misesy teto an-drenivohitra » ity resaka ity. Omaly moa izy ireo no natolotra ny Fampanoavana ary samy nadoboka eny Tsiafahy avokoa miandry ny fotoam-pitsaràna azy ireo.

m.L

- Publicité -
Suivez nous
419,278FansJ'aime
14,461SuiveursSuivre
5,417SuiveursSuivre
1,920AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici