Ny herinandro lasa teo no nitranga ny raharaha. Raha nandeha hamonjy fodiana ny rangahy iray no nifanena tamin’ny mpitandro ny filaminana roa izay nidaroka roa lahy ihany koa. Koa satria izy efa fantatra teo amin’ny fokontany noho izy nanana andraikitra teo anivon’izany teo aloha, dia niantso vonjy taminy ireo roa lahy voadaroka. Izay no ela dia nivadika tany aminy indray ny herisetra izay nitarika hatramin’ny tsy nahatsiarovany tena. Fa inona no tena nitarika ity herisetra nataon’ireto mpitandro ny filaminana ireto? Herinandro talohan’io raha araka ny fanazavan’ny mponina teo an-toerana, dia nisy pôlisy vavy izay voaendaka raha handeha hody ihany koa. Io no heverina fa nitaraina tany amin’ny mpitandro ny filaminana namany izay nentin’ny fo ka nidina teo an-toerana avy hatrany. Rehefa izany ary dia nampisehoana tamin’ny alàlan’ny herisetra ny hatezeran’izy ireo. Nodarohina izay nifanena ary na olon-tsotra avy niasa, toy ity mpiasa eo anivon’ny Lycée Français Ambatobe, izay voadaroka koa rehefa nantsoin’ny olon-kafa izay mbola voadaroka ihany koa, tamin’ny anarany. Izay izany no eritreritr’io mpitandro ny filaminana roa nentina hanadiovana ilay tanàna ary koa namaliana faty ny naman’izy ireo izay voaendaka. Ny olana dia tsy nanaiky mora foana ilay voadaroka ka nametraka fitoriana teny amin’ny zandary. Ny fanadihadiana voalohany izay nivoaka, dia nanamarina fa pôlisy iray niaraka tamin’ny miaramila ireo nanao herisetra. Efa fantatra izy ireo ary nampandrenesina ny lehibeny tsirairay avy, momba ny fanadihadiana izay nosokafana momba azy ireo.
D.R.
Soanierana : Polisy sy miaramila nanokafana fanadihadiana
Articles qui pourraient vous intéresser



