- Publicité -
jeudi, juillet 3, 2025
AccueilFaits-DiversAmbohibao : « Ni-chauffe » sahady ny fiara nanatitra delegasiona

Ambohibao : « Ni-chauffe » sahady ny fiara nanatitra delegasiona

Efa naka sisiny avokoa ny mpampiasa lalana, nanaraka ny fandaminana napetraka mandritra ny frankofonia. Nirimorimo avokoa ny fiara nanaraka sy nitondra ny delegasiona kanadiana, omaly maraina. Mazava ho azy fa nialohavan’ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana izany ary mbola toa izany ihany koa ny tamin’ny faran’ny kortezy. Ny olona dia niakatra tampoka ny hafananan’ny iray tamin’ireo fiara tsy mataho-dàlan’ny mpitandro ny filaminana. Noterena mafy loatra ilay fiara antitra izay mba niezaka tsy ho mena-mitaha amin’ireo fiara raitra, toa ny Range Rover sy ny V8 izay nanery avy ato aoriana. Nafana loatra ny motera ary nivoaka ny rano mangotraka tao anatiny. Variana ny delegasiona raha nijery izany ary voatery nijanona kely rahateo ny kortezy satria fiaran’ny mpitandro ny filaminana izay mandrindra ny fiambenana sy ny fanaterana ireo delegasiona mafonja etsy Ivato no simba. Raha ny fantatra dia ireo olona akaikin’ny Praiministra kanadiana ireo naterina teny amin’ny hotely lehibe etsy Ivato ireo. Efa nalefa aloha ihany izy ireo saingy teny an-toerana indray dia tsy tafiditra satria mbola taraiky tany aoriana, tamin’ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana izay nanatitra kanefa simba, ny “badge” rehetra. Marina fa betsaka ny ezaka izay natao saingy tsy
hilaozan’izay tsy hita mibaribary ihany ny zavatra maro nafenina. Toa ny fiara antitra ao anaty delegasiona na koa ny fahantran’ny vahoaka eny an-dàlana rehetra eny. Tsy jamba akory ny vahiny.
D.R

Suivez nous
409,418FansJ'aime
10,821SuiveursSuivre
1,620AbonnésS'abonner
Articles qui pourraient vous intéresser

1 COMMENTAIRE

LAISSER UN COMMENTAIRE

S'il vous plaît entrez votre commentaire!
S'il vous plaît entrez votre nom ici