Rehefa jerena ny taratasy dia misy sary famantarana (logo) an’ny frankofonia ary koa fitombokasem-panjakana, raha araka ny filazan’ireo karàna izay mpivarotra. Milaza ireo olona mihaja fa nirahin’ny tompon’andraikitry ny minisitera, ny minisitra mihitsy raha ny filazan’izy ireo. Ny antony dia ny hangataka vola fandraisana anjaran’ny karàna amin’ny fikarakaràna ny fihaonam-be an-tampon’ny firenena miteny frantsay na frankofonia. Dia tena mivonona tanteraka ireo olona satria sady manana ireny “facture” ireny izy no manana taratasy vita ara-dalàna. Lasa miendrika izany fa
nirahin’ny fanjakàna izy ireo. Tamin’ity indray mitoraka dia nisy karàna roboka ka nandoa vola an-tapitrisany tamin’ilay olona. Rehefa nifampiresaka izy ireo ary nohamarinina tokoa ny niavian’ny taratasy dia fantatra fa tsy mitombina velively ny fisian’ilay iraka. Nazava izany teo ny resaka fa mpisoloky ilay rangahy. Omaly no nanao tatitra teny anivon’ny mpitandro ny filaminana ny karàna sasany izay mivarotra eny Tsaralalàna ary efa mandeha ny famantarana ilay mpisoloky. Mazava
ho azy ihany koa fa nifampiantso ny fiaraha-monina karàna, indrindra ireo samy mpivarotra ary nifampizara ny vaovao mba tsy hisy hafa ho voasoloky ihany koa. Omaly ihany izany rehetra izany dia efa nahoraka teo amin’izy ireo. Endrika iray ity tranga ity fa tena manaraka vanin’andro ny asa fisolokiana eto an-drenivohitra. Toy ireny efa misy ekipa mpiketrika ny zava-misy ireny mihitsy ary manitsy ny hatao mba hifandraika tanteraka amin’izany vanin’andro izany. Ny frankofonia
izao no malaza eto an-drenivohitra amin’izao fotoana ary dia vitan’izy ireo ihany koa ny nitady hirika hidirana eo anivon’izany mba hoentina misoloky.
D.R
Frankofonia : Raikitra ny fisolokiana karàna
Articles qui pourraient vous intéresser